- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversFianarantsoa : Handray ny zaikaben’ireo vady miaramila

Fianarantsoa : Handray ny zaikaben’ireo vady miaramila

Fantatra izao fa i Matsiatra Ambony no hanokafana ny zaikan’ireo vady miaramila amin’ity taona 2024 ity. Noho ny fandaminana dia faritra telo no hanatanterahana izany izay haharitra telo andro avy ka manomboka ny 8 aogositra izao ny ao Fianaratsoa, ny 12 aogositra ny faritra Vakinankaratra izay hatao ao Antsirabe, ary ny 26 aogositra dia ao Mahajanga, faritra Boeny. Tsiahivina fa efa fanaon’ny Fikambanan’ireo vady miaramila (Fi.Va.Mi.) isan-taona ity fihaonam-be ity saingy noho ny fandalovan’ny aretina Covid 19 teto amin’ny firenena ireny dia tsy azo notanterahana izany raha tsy vao izao. Ny Fi.Va.Mi, izay ahitana mpikambana 9000 ankehitriny, dia niforona ny 2019 ka Ramatoa Clotilde Ndriarijaona, izay vadin’ny Lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika Malagasy tamin’izany no angady nanana sy vy nahitana azy. Ny loha-hevitra hiatrehana ity zaikabe 2024 ity dia ny hoe : Vady miaramila miray hina, miara-mientana ho amin’ny fampandrosoana. Izany dia miainga avy amin’ny teny filamatry ny fikambanana : “Fifankatiavana, fifanampiana, firaisankina”. Noho izany izao fihaonambe izao ankoatry ny fijerena manokana ny fiainan’ny fikambanana sy ireo adidy sy andraikitra sahaniny dia ny hanamafisana hatrany ny fifankatiavana sy ny firaisankina eo amin’ny samy vady miaramila sy ny fampandrosoana ny mpiara-belona sy ny Firenena hoy ny filoham-boninahitry ny Fi.Va.Mi sady vadin’ny Minisitry ny Foloalindahy  Vahivelo Josephine raha niatrika ny mpanao gazety ny sabotsy teo ka nampahafantra ireo fandaharam-potoanan’ity zaikabe ity. Mandritra ireo fotoana voalaza etsy ambony ireo dia hisy ny hetsika ara-pahasalamana izay hataon’ny fikambanana toy fitiliana ny diabeta, ny homamiadana, ny ady amin’ny tazomoka, ny famoran-jaza maimaim-poana. Eo ihany koa ny hetsika ara-panatanjahantena sy ara-kolontsaina andraisan’ireo mpikambana isam-paritra anjara. Mba hahatomombana izany rehetra izany dia nanentana ny filohamboninahitra ny mba hidiran’ireo rehetra ao anatin’ny fikambanana ka hiara-hientana ho an’ny tombotsoan’ny be sy ny maro.

T.M.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici