Tsy naneno in-telo akory ny akoho dia efa very asa ilay rangahy. Izany dia taorian’ny vaky bantsilana tamin’ny facebook izay navoakan’ny mpisintona lakolosy fanairana. Mahakasika ny fitakian’ny lehiben’ny sampan-draharaha mikasika ny vatsim-pianarana firaisana ara-nofo tamin’ny mpianatra mba miandrandra an’izany ny raharaha. Efa mailo ilay mpianatra L3 ary nalainy feo avokoa ny resaka. Naparitany tamin’ny tambajotra sosialy avy amin’ny mahay izany. Ny maraina no nivoaka ampahibemaso izany ary ny folakandro dia nandray fanapahan-kevitra ny lehiben’ny oniversite ny nampitsahatra tamin’ny asany avy hatrany ilay tompon’andraikitra. Mafy ny mpanao gazety rehefa tena manatsikafona ny tsy mety ary porofo mivaingana ity tranga omaly ity.
D.R