Ny datin’n 02 Aogositra lasa teo no ivon’ny fankalazana ny faha 10 taona nisian’ny AFHAM na « Assoiation des Femmes Handicapes de Madagascar » rantsana eto Antsirabe. Tao amin’ny trano fivorian’ny fiadidian’ny faritra no nanaovana ity hetsika jobily faha 10 taona ny fikambanana ity. Hampiroborobo ny zon’ny olona tra-pahasembanana, fanatsarana ny fiainany indrindra ny fitsinjovana manokana ny fahasalaman’ny vehivavy manam-pahasembanana no anto-pisian’ny fikambanana. Ankoatra izay dia manentana ny olona fa tsy vesatra eo amin’ny fiaraha monina akory izy ireo fa mitovy zo amin’ny olona rehetra, ary himasoan’n fikambanana ny ady amin’ny fanilikilihana samihafa. Ray mpiahy n AFHAM ny governoran’ny faritra, nohamarin’ny governora fa isan’ny mampihatra ny fitantanan-draharaha mampiaty ny faritra Vakinankatra ary miady amin’izay fanilikilihana izay. Porofon’izany hoy izy ny fisian’ireo olona manana fahasambanana ara batana, ara pihainoina , ara pahitana miasa ao amin’ny faritra.Tonga nanotrona ity jobily ity ny filoha nasionaly Rtoa Ramanjato Felamijoro. Miisa 21 ny fikambanana ao anatin’ny AFHAM ,manerana ny Nosy, ahitana vehivavy 600 isa raha toa ka miisa 25 mirahavav kosa no mandrafitra ny fikambanana eto Antsirabe.
Andry N.