Mpangarom-paosy efatra no tratran’ny polisy teo am-panaovana ny asa ratsiny nandritra ny alim-pandihizana notontosain’i WAWA tao amin’ny Cercle Mess Antanimora, ny alin’ny zoma lasa teo. Toy ny rehetra dia nandoa fidirana ihany koa i Lalanirina, Stewart, 23 taona, monina ao Itaosy, mpivarotra, sy i Herman, 39 taona, monina 67ha, mpivarotra, miaraka amin’ireo namany. Rehefa tafiditra tao anatiny kosa anefa izy ireo dia nanomboka ny asa ratsiny. Efa mpamerin-keloka moa izy ireto ary natolotra ny fampanoavana miaraka amin’ireo namany roa lahy omaly alatsinainy. Polisy avy ao amin’ny boriborintany faharoa niasa teny an-toerana no nismbotra ireto mpangarom-paosy ireto.
Ornella A. (Stagiaire)