- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina : Fanafihana mitam-pidiadiana sy vono olona

Tsy filaminana eto Toamasina : Fanafihana mitam-pidiadiana sy vono olona

Tena zava-doza no nitranga teto Toamasina tato ho ato izay, satria sady nahita vono olona no nitrangana fanafihana mitam-piadiana mpamongady vary.

Ny tranga voalohany ny alahady teo akaikin’ny lalana hopitaly Morafeno Toamasina, izay novonoin’olona tsy fantatra tera-tany “réunionnais” 61 taona antsoina hoe Marimoutou Fréderic. Mahatsiravina ny famonoana ity tera-tany vahiny ity satria nodidiana tahaka ny madidy tedan’akoho ny tendany. Lasa avy ireo zavatra rehetra teny aminy, nefa raha nentin’olona teny hopitaly Morafeno akaikin’ny zava-nitranga dia tsy tana ny ainy no fahatapahan’ny lalan-drà goavana teo amin’ny tendany. Efa mikarakara ny fandefasana ny razana any la Réunion ny masohivoho Frantsay eto Toamasina amin’izao.

Ny tranga faharoa amin’ny tsy filaminana eto Toamasina dia fanafihana ranom-barotra mpamongady vary iray teo Ambolomadinika akaikin’ny tranom-barotra “kings” izay nitranga ny alatsinainy maraina teo. Raha ny fahazoam-baovao dia tokony teo amin’ny 08ora sy 45min no nitrangany izany, ka voalaza fa lasa tamin’izany vola tao anaty baoritra efa voahomana ho aterina eny banky. Bandy telo samy nitondra basy sy nitangina moto roa no nahita izao fanafihana izao, izay azo heverina fa efa voahomana tanteraka satria tsy naharitra ela izy ireo nandritra izany ary tsy nisy ny maty sy naratra  nandritra ny fanafihana, fa vao azo ny vola tao anatina baoritra dia avy hatrany dia lasa ireto jiolahy ireto. Tonga teny ihany ireo mpitandro filaminana saingy efa lasa ireto jiolahy nandritra izay ka fanarahan-dia no nataon’izy ireo sy fanadiadiana samy hafa ihany koa. Ny tsapa izany tato ho ato dia manomboka miverina eto Toamasina indray ny fanafihana mitam-piadiana raha nangingina izany tao ho ao izay noho ny ezaka ny polisim-pirenena nisoroka izany.

Milaza anefa ny polisim-pirenena fa ho an’ireo hanatitra vola be eny amin’ireo orinasa ara-bola samy hafa, dia aoka hampilaza azy ireo sy hiantso azy mba hisorohana ny fanafihana tahaka izao.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici