Samy ao anatin’ny tambajotran-jiolahy matanjaka izy ireo, hoy ny fanazavana azo. Mbola misy ireo tafatsoaka ary efa eo an-dalam-pikarohana izany ny zandary.
Ny faran’ny herinandro lasa teo, nahazo vokatra tsara ny teo anivon’ny fari-piadidian’ny zandary tao Mahajanga, tamin’ny fandravàna ireo andian-dahalo mahery vaika, nampihorohoro ireo kaominina maromaro tany an-toerana. Ny zoma lasa teo tokoa mantsy dia telo amin’ireo andian-dahalo, voarohirohy ho isan’ireo nanafika tao amin’ny tananan’i Maroboaly, fokontany Betaikilotra, kaominina Berivotra 5×5, no tsy afaka hanohy intsony ny asa ratsin’izy ireo. Tsy vitan’ny halatr’omby no nataon’izy ireo tao amin’io tanana io, ny andron’ny 10 aogositra lasa teo fa mbola niampy vono olona ihany koa. Rehefa nanao ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy ny zandary dia voasambotra ny lehilahy iray voalaza fa lehiben’izy ireo, ny andron’ny alakamisy teo. Nilaza ny hanoro ny toerana hiafenan’ireo namany izy ny zoma, kanjo efa niandry kendry tohana ireo namany teo amin’ny kizon’Ambalanjanakomby. Raikitra teo ny fifanandrinana sy ny fifampitirifirana ary niafara tamin’ny fahalavoan’ireo olon-dratsy miisa telo ireto. Azo tamin’izay ihany koa ny basy gasy nampiasain’izy ireo. Marihana fa nisy iray tafatsoaka taorian’io.
Fa kilaometra vitsy taorian’ity fifandonana ity, tao andrefan’ny tananan’i Merimandroso, kaominina Mangabe, distrikan’i Maevatanana dia jiolahy raindahiny iray ihany koa no lavo, ny andron’ny sabotsy indray izay nahazoana basy vita gasy sy ody ratsy. Tompon’antoka tamin’ny fanafihana nitranga tao amin’ny fokontanin’Anosimiadana, kaominina Mangabe ity farany, hoy ny fampitam-baovao.
Mbola mitohy hatrany moa ny hetsika, entina hamongorana tanteraka ireo olon-dratsy tany amin’iny faritra iny.
m.L