- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAlaotra : Foara rezionaly, tafapetraka ny Fihavanana

Alaotra : Foara rezionaly, tafapetraka ny Fihavanana

Natao tao anatin’ny fihavanana sy firaisan-kina tokoa ity foara rezionaly ity.

Ny sabotsy lasa teo no natao ho ivon’ny fankalazana ny foara rezionalin’ny faritra Alaotra Mangoro, ary natao ho fanokanana azy tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny kianja Rasolonjatovo Ambatondrazaka. Nosalorana ny anarana hoe « Fihavanana 2024 » izay foara izay ary hita taratra tanteraka tamin’ny fandraisana anjara mavitrik’ireo zanaky ny faritra sy ireo zanaka am-pielezana izany manerana ny Nosy. Tonga nanome voninahitra ity foara ity moa ny Ministry ny asa vaventy no sady mpiahy ny faritra rahateo, ny Ministry ny fambolena sy fiompiana, ireo Lehiben’ny distrika mandrafitra ny faritra, ireo solombavahoaka sy loholona ary manampahefana isan-tsokajiny, sivily sy miaramila. Tonga tao ihany koa ireo Tangalamena izay anisany nankasitraka ny Goverinoran’ny Faritra Alaotra Mangoro Dr Guy Ramarosandratana tamin’ny fitarihana ny fametrahana indray ny Fihavanana sy ny Firaisankiana, tamin’ny alalan’ity foara ity. Marihana, hoy ny fanazavana azo fa tsy mbola nisy tahak’ity, fandraisana anjara mavitriky ny rehetra ary na ireo mpanao pôlitika tsy mitovy firehana aza dia tafara-dalana tao anatin’izany.

Tamin’ny fandraisam-pitenenan’Atoa Goverinora no nanararaotany, nisaorana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina tamin’ny fanampiany manokana ny faritra Alaotra Mangoro. Raha tsy hilaza afa-tsy ny fahavitan’ny lalam-pirenena faha-44 sy ireo lalana isaky ny distrika, izay anisan’ny mampiroborobo ny vokatr’ireo tantsaha. Teo ihany koa ny fanomezana ny ozinina famokarana zezika sy fanodinana voatabia.

Nofaranana tamin’ny « bal populaire » moa ity fanokanana ny foara rezionalin’ny faritra ity tamin’io andron’ny sabotsy io, izay niaran’ny rehetra nifaly sy nitotorebika tokoa.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici