Tadidin’ny maro satria nahonena loatra ilay raharaha vehivavy varira notapahin-doha ary nentina nitsoaka ny lohany. Tany Ekaraoke (Tsihombe) no nisian’izany ny 4 jolay teo. Tsy ela dia efa nisy olona dimy voasambotry ny zandary saingy izy ireo dia mbola tsy natolotra ny fampanoavana hatramin’izao. Etsy ankilan’izany, sady tsy mihatra ny Dinabe no tsy misy ny didim-pitsaràna. Mihazoazo araka izany ny raharaha ary tsy hita izay handraisana azy. Heloka bevava anefa ny resaka eto. Isan’ny olana, rehefa nandeha ny fanadihadiana, dia saika fianakaviana ihany no voarohirohy sy nosamborina. Lasa nizara ny havan’ny maty nanoloana ny zava-misy. Lasa mifandrafy ny avy ao amin’ny fokontany Tsivorikely izay misy ny fianakavian’ny maty, kanefa nosamborina, sy ny avy ao Andranomasy izay havana akaikin’ny maty. Nisy ny fepetra noraisina mba tsy hampitatra ny raharaha ary nampiasaina ny Dinabe. Tsy nisy na inona na inona tapaka anefa rehefa tsy niray saina ny komity nivory. Taty aoriana indray dia nisy ny didy izay navoakan’ny prefektiora ny amin’ny fampanavahana an-keriny omby (fangalàna omby amin-kery) ao amin’ny fokontany Tsivorikely mba ho fandaminana ny raharaha. Nisy nitory teny anivon’ny “tribunal administratif” izany ary nivoaka ny didim-pitsaràna manafoana izany. Ny nahatalanjona anefa dia nisy nanatanteraka ihany ny fangalàna omby sy ondry efa ho 800 isa tao amin’ilay tanàna. Mitaraina ireo olona ao Tsivorikely vokatr’izany ary misintona ny sain’ny manam-pahefana aty an-drenivohitra. Amin’iretsy voalohany mantsy dia tsy voafehin’ireo tompon’andraiki-panjakana ao an-toerana intsony ny fandaminana ny raharaha. Raha ny firarian’ireo fokonolona aza dia ny fitsaràna aty an-drenivohitra no hikirakira ny dosie mba hivoahan’ny marina sy tsy hisian’ny fitanilàna.
D.R