
Nivoaka ny didy fampisamborana azy ary karohina izy rehefa tsy hita izay misy azy ary tsy tonga teny amin’ny mpanao fanadihadiana mba namaly fiantsoana. Tsihankeny Mahavoatra Georget no anarany ary fantatra amin’ny anaram-bositra Directeur Stéphan any anaty afera maloto. Raha araka ny filazàna fikarohana navoakan’ny sampana fanadihadiana momba ny heloka bevava eo anivon’ny zandarimaria eto an-drenivohitra dia varotra sy fihazonana sokatra no antony hikarohana sy hisamborana ity lehilahy 41 taona ity. Izany hoe voarohirohy ao anaty trafikan-tsokatra raha hadika tsotsotra. Karazana heloka izay sokajina ho heloka bevava ara-boajanahary raha araka ny fifanarahana iraisam-pirenena izay voafaritry ny Cites. Tsiahivina fa vao ny herinandro lasa teo no nisy sinoa nosamborina ary nanokafana fanadiadiana koa momba ity trafika biby arovana ity. Izany rehetra izany no mety ho manaporofo fa manomboka mihatery ny làlana ho an’ireo olon-dratsy mpanondrana izay raha araka ny fanazavana dia miray tendro anatin’ny tambajotra iraisam-pirenena. Aza anefa aloha raha ho lasa lavitra ny fanadihadiana ireo izay voarohirohy amin’ny raharaha toa itony izay arahin’ny firenena maro maso. Sanatria ve dia hiandry mpanao fanadihadiana iraisam-pirenena izay vao ho sarona ireo mpanao trafika ny biby arovana? Na izany aza efa hita ny ezaka eto an-toerana avy amin’ny fisamborana sy fikarohana etsy sy eroa tato ho ato.
D.R