Nisehoana fanafihan-jiolahy mitambasy ny alin’ny faha 23 volana Aogositra taona 2024 teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy 37 minitra tany ho any no nitrangan’ny asa ratsy, tao amin’ny fokontany Mazavatakona, any amin’ny kaominina ambanivohitra Madiromirafy, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ka anisan’ny lasibatra tamin’izany ny ombin’i Bora sy Tiana Roger, izay monina ao amin’ny tanàna voalaza etsy ambony. Jiolahy amam-polony tsy voafaritr’isa nirongo fitaovam-piadiana no nahavanona izao asa ratsy izao, raha ny vaovao marim-pototra voaray hatrany. Tsy niandry ela ireo malaso, rehefa nahazo ny omby halatra nangalariny no niroso tamin’ny fandosirana nalaky . Rehefa hita sy voamarina fa tsy nahenoana kotaba ny tao an-tanàna, vao samy nifamoro nanao antso vonjy ny olona manodidina, sady nampandre ny Zandary tao amin’ny poste » Fixe Madiromirafy. » Teo ihany no efa nanao ny sakana tamin’ny kizo mety ho nandalovan’ny jiolahy ny mpitandro ny filaminana, ny sabotsy faha 24 aogositra 2024 teo, tokony tamin’ny iray ora sy sasany maraina, tao amin’ny kizo iray malaza fiheran’ny omby halatran’ny malaso, teny Andranovoron’i Tsimanelo, ao andrefan’ny tanàna atao hoe: Anosibe, any amin’ny fokontan’Anjiakely Andrefana, mbola any amin’ny kaominina voalaza etsy aloha. Tonga ara-potoana tao anatin’ny sakana ny mpitandro ny filaminana, any ka rehefa hitan’izy ireo ny jiolahy maromaro nanesy omby halatra, dia nanapoaka vain’afo tamin’ny alalan’ny poa-basy ny Zandary. Taitra sy nikoropaka ireto farany no tonga dia nitari-dalana nandositra, raha nahatsikaritra ny feo-basy, sady navelan’ireo teo ny omby halatra. Tsara ny mampahafantatra fa tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny vatan-dehilahy nanampy azy ireo tao anatin’ny farahan-dia. Azo daholo ny omby ireo halatra rehetra, ary nomena ny tompony ao Mazavatakona. Mbola mitohy hatrany kosa ny fikarohana ataon’ny Zandary hoan’ireo malaso.Ratantely