Vao ny herinandro lasa teo no nisy Pasitera mpamonjy zaikabe izay naratra mafy rehefa nandeha Bajaj ka voaendaka. Mbola nisy roalahy hafa koa ny faran’ny herinandro teo niharan’ny toa izany. Mitovy ihany ny fitrangany : mody mandeha toa ny olon-drehetra ny jiolahy. Efa miray tendro amin’ny mpamily Bajaj anefa ka raha vao misy maizimaizina dia ataon’ireo tambabe ny olona lasibatra izay mbola eo ambonin’ilay fitaovam-pitaterana. Tamin’ilay tranga faharoa dia niala maina ary nitsoaka niaraka tamin’ny Bajaj ireo mpanao ratsy. Ny antony dia nahasahy namaly ireo lehillahy roa izay saika nendahina. Mila fanaraha-maso akaiky ireo Bajaj izay miparitaka satria mitady hisesy ny fanendahana ny mpandeha. D.R