Aleo tara toy izay mamoaka fahatany manimba zavatra hoy teo anivon’ny oniversiten’I Toamasina, mikasika ny valin’ny fanadinam-panjakana bakalorea. Ny Zoma alina teo no nivoaka izany ho an’I Toamasina, raha ny tolakandro tamin’ny 03ora ny fandinihana ny naoty ahafahana ny fanadinana tanaon’ireo mpanabe nisahana izany. Raha amin’ny ankapobeny ny taham-pahafahana dia 66,30% ho an’ny teknika sy fampianarana ankapobeny. Rehefa tsinjaraina izany dia 65,66% taham-pahafahana ho an’ny fampianarana ankapobeny, raha mahatratra 78,33% ho an’ny fampianarana teknika. Niarahaba ireo afaka baka rehetra tamin’ity taona ity ny filohan’ny oniversiten’I Toamasina, ary mirary soa azy ireo ahavita be amin’ny tohin’ny fianarana izay hataony aty aorian’izany. Nankahery ireo tsy homby koa ny tenany ary mirary soa azy ireo tsy ho kivy fa hanao ny ezaka tamin’izay tsy nety amin’ny taona ho avy io. Efa misokatra ho an’ireto mpianatra vao afaka baka vaovao ireto ny oniversiten’I Toamasina amin’ireo taranja maro azo isafidianana arakaraka ny taranja safidin’ny mpianatra tsirairay avy.
Malala Didier