- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversHerisetra ara-nofo : Lehilahy avy nanolana ny vadiny, namono-tena

Herisetra ara-nofo : Lehilahy avy nanolana ny vadiny, namono-tena

Mbola nifamonjena teny amin’ny hôpitaly ity raim-pianakaviana iray, 38 taona raha nikasa ny hanapitra ny androm-piainany. Izy izay vao avy nampiharatra herisetra ara-nofo tamin’ny vadiny vao … tera-bao, ny andron’ny alatsinainy teo, tao Antanambao, Antsahovy, distrikan’i Sambava. Mbola nanita-kevitra ny hitsoaka anefa ingahirainy. Voasambotry ny zandary omaly, raha ny fampitam-baovaon’ny namana avy any an-toerana ary efa nalefa hotsaboina indray alohan’ny hanaovana ny famotorana mahakasika azy. Raha somary hiverenana ny tranga : ny alatsinainy teo, antso vonjin’ny renim-pianakaviana iray, vao tera-bao no nanaitra ny manodidina. Raha ny fantatra dia noteren-drangahy vadiny hiray ara-nofo aminy ity vehivavy izay mbola marefo tanteraka ity. Voatery nentina toeram-pitsaboana mihitsy moa izy vokatr’izay. Nosamborin’ny fokonolona ilay lehilahy ary nanapa-kevitra ny hifona tamin’ny vadiny sy ny fianakaviana. Taorian’izay anefa, nandray antsy ny lehilahy ary niezaka nanapitr’andro, namono tena tamin’ny alalan’ny fandidiana ny tendany tamin’ny antsy. Tsy vita hatramin’ny farany akory anefa io zavatra nokasaina hatao io no niantso vonjy ingahirainy. Na dia teo aza anefa ny zava-dratsy nataony dia tsy nitaza-potsiny akory ireo olona manodidina azy fa nitondra sy namonjy ity lehilahy ity nihazo tobim-pahasalamana. Mbola eo am-pitsaboana tao amin’ny hôpitaly ity farany no nanapa-kevitra ny hitsoaka indray. Efa lasa lavitra an’i Sambava mihitsy moa, raha ny fantatra, no voasambotry ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny fanarahana ny rà nitete teny an-dalana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici