Nandriaka ny rà. Tsy nitsitsy ny polisy. Roa no lavo tetsy Ambodin’Isotry. « Tsy nanaiky nosavaina sy hanamarinana ny momba azy ireo moa ny iray tamin’ireto olon-dratsy ireto sady namoaka sabatra avy hatrany. Ny iray kosa vaky nandositra. Voatery nampiasa hery ny polisy ka lavo izy roalahy. Tsy nahitana kara-panondro teny amin’izy ireo fa finday halatra miisa roa kosa no sarona » raha araka ny fampitam-baovaon’ny polisy. Tetsy Ankadievo indray dia jiolahy dimy hafa koa maty voatifitra. « Vaovao mari-pototra no voarain’ny SCUSI fa misy jiolahy miisa 07 izay mironga basy sy antsy manomana fanafihana eny Ankadievo, Alasora. Nidina ifotony teny an-toerana ny USI ny alakamisy 29 aogositra tokony tamin’ny 11 ora alina. Vao nahita ireo Polisy ireto jiolahy ireto dia nitifitra avy hatrany . Nisy ny fifanjevoana ka lavo tamin’izany izy dimilahy . Mbola karohina kosa ireo jiolahy miisa roa . Basy iray ary antsy iray no hita teny amin’izy ireo » raha araka ny polisy hatrany momba io tranga io. Mafana arak’izany ny ady eo amin’ny roa tonta ankehitriny ary mandriaka ny rà.
D.R