- Publicité -
samedi, mai 10, 2025
AccueilFaits-DiversSabotsy Namatoana : Lehiben’ny dahalo maty voatifitra

Sabotsy Namatoana : Lehiben’ny dahalo maty voatifitra

Fantatra amin’ny anarana hoe Naivo Lava. Izy io, raha ny vaovao azo, dia anisan’ireo mpitarika andian-dahalo maromaro, nampitondra faisana ireo mponina tany amin’iny distrikan’Arivonimamo sy Miarinarivo iny. Teo am-piketrahana fanafihana hafa mihitsy ny tenany, tao amin’ny kaominina Sabotsy Namatoana no notongavan’ny zandary ary voasambotra sy voatifitra.

Ny talata lasa teo, raha ny fampitam-baovao azo no avy namory ny namany roa tao amin’ny tokatrano iray fiafenany, tao amin’ny fokontany Antsingila, ity olon-dratsy sy namany. Tonga teny am-poto-tsofin’ireo zandary izany vaovao izany ka dia nidina avy hatrany teny an-toerana ireto farany. Nisy avy hatrany ny fisamborana ka tsy afa-niala fa dia tra-tehaka tao ity olon-dratsy ity. « (…)Nikasa hanafika tokan-trano manam-bola eo am-piomanana hanao Famadihana » izy ireo, hoy ny vaovao. Tamin’izay fotoana izay moa efa tsy tratra tao intsony ireo namany ka dia nanaiky ity farany ny hanoro ny toerana misy ireo farany sy  ny fitaovam-piadiana, nokasain’izy ireo entina hanantanterahana ny asa ratsiny. Toy ny mahazatra dia teny an-dalana teny no nanan-tsaina ny hitsoaka ingahy Naivo Lava. Fitsoahana izay tsy nahalasa azy lavitra akory raha tsy tany ankoatra. Nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy avy hatrany mantsy ireo mpitandro filaminana nentina nampijanonana ity farany. Voa ingahy ary lavo. Namoy ny ainy noho  ny fahaverezan-drà be loatra tamin’ny ratra nahazo azy, hoy ny fampitam-baovaon’ny zandary.  Ireto farany moa izay nanamarika fa efa ela, naharitra teo amin’ny efa-taona teo no nikarohana ity olon-dratsy ity, izay afa-nandositra sy nihipoka foana.

Vita hatreto araka izany ny tantaran’i Naivo Lava sy ny fampitondràny faisana ireo mponina any an-toerana. Mbola eo an-dalam-pitadiavana ireo namany hafa kosa ireo mpitandro filaminana any an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici