Fasan’Andriandehibe tao Andraingory, kaominina Mantasoa, distrikan’i Manjakandriana no nokasain’ny andian’olona hovakiana, ny harivan’ny alahady teo. Soa ihany, efa tonga nialoha teny anivon’ny zandary tao an-toerana ny angom-baovao ka nisy avy hatrany fandraisana fepetra nialohan’ny fotoana, ka nahafahana nisoroka izao asa ratsy izao. Nahalasa saina ny maro ny antony nanosika ireto olona saika hanimbazimba fasan’andriana izao. Raha jerena amin’ny endrika ivelany sy fitafiny tokoa mantsy dia tsy toa endrikan’olona hangalatra taolam-paty na mpamaky fasana velively. Ambonin’izay, nisy vehivavy ihany koa tao anatin’ireto mpamaky fasana ireto. Raha ny fampitam-baovaon’ny zandary dia efa saika vitan’ireto andian’olona ireto ihany ny zava-kinasany saingy tonga aloha moa ireo mpitandro filaminana. Rafitra nitsoaka izy ireo talohan’izay, ary namela ny ankabeazan’ireo fitaovana teo. Ny nahavariana, hoy ireo mpitandro filaminana dia nahitàna sainam-pirenena teo amin’ilay toerana niaraka tamin’ny kapan’ireo olona, ankoatr’ireo tapaka bidon sy angady. Efa nisy faritra voahady lalindalina mihitsy aza moa teo. Na dia tsy tratra teo an-toerana aza ireto andian’olona ireto dia nisy avy hatrany ny fikarohana natan’ireo mpitandro filaminana. Tsy sarotra tamin’izy ireo ny namantatra tsirairay azy ireo, izay avy amina tanana maro manodidina, Lohomby sy Miadanandriana ary mihitsy aza avy aty an-drenivohitra, tetsy Ambohimangakely sy Ambatomaro. Nosamborina ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana moa izy fito mianadahy ireto, nialohan’ny nanolorana azy ireo eny anivon’ny Fitsaràna.
m.L
Mba enjana koa zany
Efa ho dimapolo taona izao « ity VAKY FASANA ITY » tys mbola misy HIRIKA na RIRANA ny fanadiadiana
hoer IZA ARY INONA no ANTONY HANGALARANA ireo Taolana sy KARANDOHA.
Aiza nareo mpitondra sy ny mpitandrofilaminana
Sa hanakaramana agents de security specials isaky ny vohitra ny fanjakana rehefa tsy mahita
vaha olana.