Voalaza hatrany fa toeram-panarenana ny fonja. Raha ity tovolahy voasambotry ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Alasora ity aloha dia mety efa tsy voaarina intsony. Efa indroa nigadra ranamana ary hiditra fanintelony indray izao, rehefa voarohirohy tamin’ny resaka vaky trano indroa miantoana be izao, tetsy Alasora sy Ankadindratombo.
Araka ny fampitam-baovao azo tokoa mantsy, ny andron’ny talata lasa teo dia nisy nampandre ny zandary fa misy tontakely eo am-panaovana ny asa ratsy tetsy Ankadindratombo. Nisy nahatsikaritra ranamana, raha iny somokitra dia somokitra iny, nanao izay hangalarany ireny « panneau solaire » ireny. Tsy ela dia tonga ny zandary ary tra-tehaka am-bodiomby ingahirainy. Nentina nihazo avy hatrany ny birao ho amin’ny famotorana. Fantatra tamin’izay fotoana izay fa ingahy ihany koa no tompon’antoka tamin’ny vaky nitranga tetsy Miadana Alasora, roa andro talohan’io. Tamin’izay fotoana izay mantsy, tafatsoaka ingahirainy ary lasany tamin’izany ny lelavola valo hetsy ariary niaraka tamin’ny radio.
Tsy vitan’izay, rehefa natao ny fakàna am-bavany azy dia hita ihany koa fa efa tsy zoviana amin’ny mpitandro filaminana ranamana. Raha ny voalaza mantsy dia efa indroa gadra ity farany noho izay resaka hala-botry sy vaky trano izay. Ny voalohany, tany am-ponja roa volana avy niverina tany namita sazy enim-bolana ary vao avy nivoaka ny volana aprily teo. Dia izao handeha hiverina any fanintelony izao indray. Tanana efa zatra mitsotra tokoa…
m.L
Hoan’ilay tontakely voasambotra teny Alasora dia manamarina ilay teny frantsay hoe:
Tohiny ilay commentaire