Ny tapaky ny volana jona lasa teo no nitranga ity vono olona mahatsiravina ity. Fitsaram-bahoaka izay nitarika tamin’ny famoizana aina olona roa, mpianaka, raha iny, handeha hitsabo tena ao Tsiroanomandidy iny izy ireo. Telo volana taty aoriana, nivaly ny famotorana ary voasambotra avokoa ireo tompon’antoka tamin’izany. Miisa folo izy ireo no voarohirohy sy natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny herinandro lasa teo ary samy nadoboka am-ponja avokoa.
Raha tsiahivina ny raharaha : ny andron’ny 10 jona, teo am-pirevirevena, tao Moraranokely, kaominina Miandrarivo, dia niakatra ny alikaola ary niafara tamin’ny fifamaliana sy ady. Niafara tamin’ny famoizana aina io ady io ary ny tompon’antoka tamin’izany dia naratra ihany koa. Ny ampitson’io, raha handeha hamonjy toeram-pitsaboana ao an-drenivohitry ny faritra ity naratra ity sy ny zanany no nifanehatra tamin’ny andian’olona maro, nirongo basy sy zava-maranitra : fianakavian’ilay olona maty ny omalin’ity, tezitra sy handeha hanao fitsarambahoaka. Tonga nanakana ihany ny mpitandro filaminana saingy tsy voafehy ireto andian’olona ireto ary tonga hatramin’ny vono feno habibiana an’izy mianaka ireto.
Nisokatra teo ny famotorana ary izao niafara tamin’ny fisamborana tsirairay ireo izay nahavanon-doza tamin’io fitsaram-bahoaka io.
m.L