Omaly tokony ho tany amin’ny 10 ora tany ho any, naharay antso ny avy ao amin’ny mpamonjy voina ao Tsaralalàna fa misy lehilahy iray maratra mafy teny Ankasina tsy lavitra loatra ny zaridaina. Rehefa tonga teny ireo mpamonjy dia nahatsapa fa ankevitry ny nisy nanendaka voa maraina be io olona io. Feno ratra ny vatany iray manontolo. Mivonto ny masony. Mbola teny aminy avokoa anefa ny akanjony. Ny nahamaika dia ny nitondra azy tany amin’ny hopitaly hotsaboina. Anisan’ny faritra mafana sy anjakan’ny asan-jiolahy iny eny amin’ny 67 Ha iny, na andro na alina dia ahenoina endaka sy tsatoka antsy eny. Betsaka ireo niharan’izany ary nisy mihitsy aza ny namoy ny ainy.
r.s.