Ny alin’ny 24 hifoha 25 desambra teo dia nisy fiaraha-miasan’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-5 sy ny fokontany Anosibe noho ny resaka hala-botry, vaky trano, fanafihana mitam-piadiana, fanendahana eny amin’iny faritra iny. Nidina teny an-toerana ny mpitandro filaminana ka tamin’izany no nisamborana jiolahy roa lahy tokony ho tamin’ny 3 ora sy 30 mn maraina. Ny iray antsoina hoe Alfredouard 21 taona sy Tovohery, na koa i Mainty, 18 taona. Nifanilika izy roa lahy rehefa tratra ka nanondro ny namany antsoina hoe Dedekely, Zozo, José, Tolotra. Ireto farany ireto moa dia mbola karohina hatramin’izao. Marihina fa mpanao fanafihana mitam-piadiana izy ireo ka ao anatin’ny Bande des 4 sy bande des 6. Araka ny fanadihadiana ihany koa, misy trano iray ao Anosibe izay fifohan’izy ireo rongony sy fanaovany fivoriana alohan’ny fanafihana.
Omaly no natoloatra ny fitsarana ireo voasambotra.
r.s.