Vao varimbariana ny tompony na fantatr’izy ireo fa lasa nametraka ny môtô teo an-tsisin-dalana teo fotsiny dia avy ry zalahy amin’ny angady sy harona. Ary efa tena « tompon’ny ketrika » araka ny voambolan’ny tanora tokoa, satria ao anatin’ny fotoana fohy monja dia voavaha sy lasa ny môtô.
Araka ny fomba filaza mahazatra izay hoe matoa misy ny mpangalatra dia tsy maintsy ny mpividy halatra. Ary ity farany no manosika ny olon-dratsy iray tsy hiala amin’ny fomba mahazatra azy, fitadiavam-bola moramora amin’ny hatsembohan’ny sasany. Tsy namelan’ny pôlisy ihany koa araka izany raha tsy tonga tany amin’ireto farany ny famotorana, rehefa nahatratra mpangalatra môtô tetsy Androhibe izy ireo ny herinandro teo. Raha ny fanazavana azo dia ireo mpibata entana eny amin’ny manodidina ireny ihany no mivadika ho olon-dratsy. Mipetrapetraka eny an-tsisin-dalana eny mantsy ry zalahy ireto no sady mitily ihany izay ho hazan’izy ireo indray. Tamin’io indray mitoraka io dia nisy nahatsikaritra ny halatra môtô nataon’izy ireo. Efa teo am-pibatana ilay môtô mihitsy ry zalahy ireto no tonga haingana ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahavalo, nanapaingotra azy ireo. Telolahy izy ireo, raha ny fanazavana azo. Niara-nosomborina izy ireo tamin’io fotoana io ary nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria ho amin’ny famotorana. Tamin’izay no nahafantarana fa efa misy mpandray ny « entana » azon’izy ireo. Nanaiky mora ny hanoro ity farany moa ireto dôkera mpangalatra ireto ka noraisim-potsiny ihany koa ity mpividy halatra ity. Tsara hatrany ny manamarika fa eo anatrehan’ny lalàna dia mitovy tanteraka ny mpangalatra sy ny mpividy halatra.
Tao anatin’ny fakàna am-bavany azy ireto moa ny pôlisy tamin’iny faran’ny herinandro iny, ary heverina fa atolotra ny fitsaràna anio ry zalahy ireto.
m.L