- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntsoherinakoho  Maevatanàna : Fanafihana mitam-piadiana, maty voatifitra ny  jiolahy telo

Antsoherinakoho  Maevatanàna : Fanafihana mitam-piadiana, maty voatifitra ny  jiolahy telo

Tsy milavo lefina amin’ny resaka asan-dahalo sy ny fanafihana mitam-piadiana manakorontana saim-bahoaka ny zandary ho an’ireo olon-dratsy minia manao izany. Ny zoma faha-13 volana septambra, taona 2024 teo, tokony ho tamin’ny 08 ora mahery 43 minitra teo no noravan’ny jiolahy niisa telopolo nirongo basy sy fitaovam-piadiana ny fokontany atao hoe Antsoherinakoho, any amin’ny kaominina ambanivohitra Tsararano, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, ka sady voadaroka vodibasy ny olona tao an-tanàna nifanena tamin’ireo malaso no nangonona ihany koa ny omby tao am-balan’olona maromaro, mitaotaly 71 teo ho eo. Tsy niandry ny olon-dratsy fa tonga dia nitari-dositra nitondra ny omby halatra avy hatrany, taorian’ny fanafihana nataon’izy ireo. Teo ihany koa, rehefa hita sy lasa ny dahalo dia nampandre ny zandary nalaky ny fokonolona, izay notarihin’ny GHC Pierrot avy ao amin’ny zana-tobim-paritr’i Tsararano, saingy efa tsy tratra intsony ireto olon-dratsy, ka niroso tamin’ny fanarahan-dia nitambatra niaraka tamin’ny vatan-dehilahy tao an-toerana. Vetivety teo anefa dia nifankatratra tao amin’ny tanàna atao hoe Ambaiboho, ao avaratra andrefan’ny fokontanin’Antsoherinakoho ny telo tonta: Zandary, vatan-dehilahy, malaso. Teo no raikitra ny fifampitifirana, ka jiolahy roa no maty tsy tra-drano nandritra ny fifandonana, izay fantatra amin’ny anarana hoe Manaja sy Mahafatra. Niparitaka nandositra ireo malaso 27 ambiny, rehefa nahita ny fahalavoan’ny namany roa lahy, ary nalavelan’ireo teo ny omby halatra. Natolotry ny vatan-dehilahy sy ny mpitandro ny filaminana any amin’ny tompony, ao Antsoherinakoho, ny omby 71. Nafindra any amin’ny CSB2 Bevilany kosa ireo olona telo naratra voadaroka nataon’ireo dahalo nandritra ny fanafihana tao Antsoherinakoho. Mitohy hatrany ny fikarohana ataon’ny zandary ho an’ireo malaso tafaporitsaka. Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici