Vehivavy ny roa ary lehilahy ny efatra. Samy nadoboka am-ponja avokoa izy ireo ny herinandro tao an-drenivohir’i Boina tao, noho ny resaka vono olona feno habibiana, nihatra tamin’ny terantany vahiny iray tao an-toerana. Tompon’antoka avokoa izy ireo, hoy ny fanazavana azo ary mbola tratra tao amin’ny tokatranon’ny iray tamin’izy ireo ny basy sy antsy nentina nanaovana izany asa ratsy izany. Tsiahivina, ny tapatapaky ny volana jolay lasa teo, nitrangana vono olona mahatsiravina tao Antanimasaja, Mahajanga. Terantany vahiny iray no hita faty, voatifitra sy voarasarasa tamin’ny antsy. Nanao ny fanadihadiana hikarohana avy hatrany ireo nahavanon-doza ny pôlisy. Ny voalohan-dohan’ny volana lasa teo dia voasambotra ny iray tamin’ireo olona noahiahiana ho nahavita izao asa ratsy izao. Rehefa nandeha ny famotorana dia hita tao an-tranony ny fitaovam-piadiana nentina namonoana ilay vazaha. Nanao tohivakana teo ny fisamborana, rehefa nanaiky ny hifampiraharaha sy hanoro ireo mpiray tsikombakomba aminy ireo voasambotra. Hatreto dia ireto enina mianadahy ireto aloha no fantatra fa tena tompon’antoka mivantana tamin’izany vono olona izany. Ny roa tamin’izy ireo aza moa dia voalaza fa mbola voarohirohy tamina resaka fanafihana mitam-piadiana tamin’ny alalan’ny basy halatra, tao Tsaramasandro. Roa andro no nihenoan’ireo mpitsara mpanao famotorana azy ireo tany an-toerana, ary taorian’izany dia nanapa-kevitra ny hanadoboka azy am-ponja ny teo anivon’ny Fampanoavana, miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo.
m.L