- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara II - Fibodoana tsy ara-drariny tanin’olona : Andian’olona mitonona ho zanakin’ny filoha...

Toliara II – Fibodoana tsy ara-drariny tanin’olona : Andian’olona mitonona ho zanakin’ny filoha Rajoelina no mandravarava

Mihirohoro sy mandalo fahasahiranana ny olona manana tany ao aminy kaominina ny Toliara II noho ny fisian’ny andian’olona milaza sy mitonona fa zanak’anabavin’ny filoha ny repoblika  Andry Rajoelina satria dia tany maromaro ao anatin’iny faritra iny no efa volana maro maro no voalaza fa efa nobodoin’izy ireo nohon’ny fananany rohin-pihavanana amin’ny filoha Rajoelina. Tsy mifidy izy ireo fa na tany  mbola tsy voajary na tany efa mana-tompo dia tsy misalasala izy ireo mandrava izany tsy ampihambahambana. Manoloana an’izany tarehin-javatra izany dia lasa miraviravy tanana ireo tompn’andraikitra isan-tsikajiny ato amin’ny faritra, koaminina sy ny ao aminy fitsaràna na dia misy aza ny fitarainan’n’ireo topom-tany maromaro izay iharan’ny fibodoana sy fanaparam-pahefana aminy fananàny. Manaporofo an’izany tranga-javatra izay niseho tao amin’ny fokontanin’ny Tsigorintelo, kaominina ny Belalanda, distrika ny Toliara II ,izay efa vita borne soamantsara ka nivoaka titra TN°12 242 CJ efa tamin’ny taoa 2019 izay efa voajary no nIsy nibodo tampoka ka namefy sy nanamboatra trano ao anatin’io toerana voalaza io. Marihina koa fa mandoa hetra-tany aradalàna isan-taona nanomboka ny taona 2020 ao aminy kaominina ambanivohitrin’ny Belalabda no nanaganana’olon-kafa foto-drafitrasa isan-karazany toy izao. Taminy fidinan’ireo tompon’andraikitra isan-tokony mahakasika an’ity raharaha ity no no nahatsapàna fa nisy nanongotra ny « Borne » najoro tao ary nilaza ny solontenan’ireo mpiasa fa « ny zanaka’anabavin’ny filohaRajoelina no tompon’io tany io ka manantanteraka izay baikony ifotsiny zy ireo ».

Sombiny fotsiny aminy fihetsika ataon’ireto andian’olona ireto izao miseho ao Tsingotitelo izao fa voalaza koa fa fokontany maromaro manondidina ny iharan’ny tsinjy hazo lena toy izao ka manontany tena hoe ny filiha Andry Rajoelina syny fianakaviany mihintsy no tompon’antoka aminy tranga-javatra toy izao sa  hefetsena sy fomba fiady ahazahoana sy mibodo tanin’olona fotsiny no ambadik’izao

Araka ny voalaza tetsy ambony dia tany maromaro no bodoin’ireto andian’olona ireto ao anatin’ity faritra ity ka ahiana ny hisian’savorovoro sy korontana raha mbola mitohy ny fanararaotam-pahefana toy izao.

Francis Ramanantsoa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici