Filohan’ny antoko Otrikafo no niharan’ny sinto-mahery tetsy Ambodivona ny alatsinainy teo. Ho eny amin’ny fiantsonan’ny taxi-brousse ary efa tsy lavitra intsony no nisy roalahy nanendaka. Lasa ny findin’i Elia Rabevahiny ary omaly izy dia nanao filazàna ofisialy tamin’ny tambajotra sosialy momba ny nanjo azy. Izany dia entiny indrindra miala andraikitra amin’izay mety ho fampiasan’ireo olon-dratsy ny laharana findainy, mandra-panapahan’ny orinasam-pifandraisan-davitra ny laharana. Mahazo vahana indray ny asa ratsy eto an-drenivohitra amin’izao ankatoky ny vanim-potoanan’ny famadihana izao. Mitady vola ireo jiolahy entina any ambanivohitra hanatontosana ny fety. Torak’izany koa ireo mpiasa an-trano izay tsy vitsy ny mitsoaka ny tokantrano hiasany ary mangalatra. Rehefa nodinihina tokoa dia manaraka vanim-potoana ny asan-jiolahy eto an-drenivohitra ary anisan’ny tena mampirongatra izany ny ankatoky ny famadihana sy ny faran’ny taona. Mila mailo manaraka izany koa izany ny mponina sy ny mpitandro ny filaminana.
D.R