- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversMandoto : Fokonolona 4 voatifitra, iray maty, miaramila iray hafa naratra mafy

Mandoto : Fokonolona 4 voatifitra, iray maty, miaramila iray hafa naratra mafy

Sesilany ny fanafihan-dahalo ao amin’ny distrakan’i Mandoto ao, sahy mifampitana amin’ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona  mihitsy ireo dahalo.

Nitrangana fanafihan-dahalo indray mantsy tao Analavory, Mandoto ny alin’ny talata 9 Desambra teo. Araka ny loharanom-baovao avy any an-toerana, dahalo 17 lahy teo ho eo no nanao ny fanafihana io alina io, tokony ho tamin’ny 10 ora sasany. Voalaza fa mirongo basy mahery vaika toy ny kalachnikov ireo dahalo. Noraofiny avokoa ny omby teo amin’io tanàna io izay nahatratra 125 isa. Ny alin’io ihany, nanao ny fanarahan-dia ny miaramila sy ny zandary nampian’ny fokonolona, hita anefa fa toa tsy hahatosika ireo dahalo ny mpitandro filaminana raha ny fanazavana hatrany dia nampiana miaramila 10 lahy sy zandary roa ny mpanaradia. Ny alarobia 10 desambra tokony ho tamin’ny 5 ora hariva tao Imolo kaominina Mandoto hatrany , nisy ny fifandonana teo amin’ny mpanaradia sy ny dahalo, vokany: fokonolona 4 no voatifitra,  iray hafa maty, miaramila iray ihany koa no voatifitra ka naratra mafy. Marihana fa, ao amin’io Imolo io dia voalaza fa misy kizo ary toerana fieren’ny dahalo. Mafy ny fifandonana, ka voatery naverina ny fokonolona, voatery nanampy zandary fanampiny hafa indray ny mpitandro ny filaminana. Mbola mitohy ny fanarahan-dia amin’izao fotoana anoratanay izao, raha ny antso an-telefaona natao tamin’ireo mpitandro ny filaminana. Fantatra fa mihazo an’Antakolava sy Mangataboahangy ary  Ambatofinandrahana faritra Amorin’Imania  ny dian’omby.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser