Dahalo raindahiny isan’ny nampitondra faisana iny distrikan’Andramasina sy ny manodidina izy ireo, tamin’ireo resaka halatr’omby sy fanafihana mitam-piadiana. Ny andron’ny alarobia lasa teo, vita hatreo ny amin’ny tantaran’izy ireo rehefa nifanena tamin’ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andramasina izy ireo. Araka ny fampitam-baovao azo, talohan’io fotoana io nahavoatifitra azy roalahy io, dia nisy halatr’omby niseho tao Ambolotarakely, fokontany Mahasoratra, ao amin’ny kaominina sabotsy Ambohitromby. Tokony ho tamin’ny misasakalina tany ho any izy ireo no niseho. Vantany vao nahazo fanairana anefa ireo zandary, avy hatrany dia nilatsaka tany an-toerana, rehefa avy nampandre ireo zandary tamin’ny toby manodidina. Nisy avy hatrany ny fanakanana ireo lalana rehetra, na kizo, mety ho halefan’ireo olon-dratsy nitondra ny omby avy nangalarina. Tsy lasa lavitra akory araka ireo olon-dratsy dia efa tazana, nanao tari-dositra fatratra, nandroaka ireo omby halatra. Raikitra avy hatrany ny fanenjehana azy ireo. Tetsy andanin’izay anefa, niezaka nitsoaka sy namaly ary nitifitra sy nikendry ireo mpanenjika azy ireo olon-dratsy. Velona indray araka izany ny fifandonana ary io niafara tamin’ny falavoan’ireo olon-dratsy. Miisa roa izy ireo no fantatra fa maty voatifitra, raha tafatsoaka kosa ny namany hafa. Efa mandeha kosa ny hazalambo atao amin’ireto farany. Tamin’ny fizahana ny razana moa no nahafantarana avy hatrany an’i Lefaly, avy ao Ambohitrakanga Cr Andohariana sy i Livakely, avy ao Ambatolampy, Alatsinainy Bakaro.
m.L