- Publicité -
mardi, juillet 22, 2025
AccueilFaits-DiversAndranovelona : Enin-dahy nanafika taksibrosy, vola mahery ny telo tapitrisa Ar no...

Andranovelona : Enin-dahy nanafika taksibrosy, vola mahery ny telo tapitrisa Ar no lasan’ireo jiolahy

Miverina indray amin’izao fotoana izao ny fandrobana mpandeha anaty taksibrosy. Fiara mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga no lasibatra omaly vao maraim-be, teny Andranovelona. Raha ny fantatra hatrany, dia naratra vokatr’io fandrobana io ny mpandeha iray sy ny mpamily ary vola mahery ny telo tapitrisa ariary miampy kojakoja isan-karazany no lasan’ireo jiolahy tamin’izany. Tao Antananarivokely, Maevatanana no nanakana ity taksibrosy ity ny enin-dahy, tsy fantatra mihitsy ho jiolahy. Milaza ny hoany Andriba izy ireo, raha ny voalazan’ny loharanom-baovao tany an-toerana. Teny an-tenantenan-dalana anefa, nisy fiarana teratany vahiny nisy fahasimbana. Nanakana an’ity taksibrosy ity ireo mpivady, izay teratany vahiny ny iray ary malagasy ramatoa vadiny, nila vonjy. Rehefa hita fa tena tsy avotra intsony ilay fiara simba dia nanapakevitra ny hiakatra aty an-drenivohitra ireto mpivady ireto. Tamin’izany indrindra ihany koa no nilazan’ireo enin-dahy fa tsy hiala eo Andriba indray izy ireo fa hanohy ny diany hiakatra aty an-drenivohitra. Ka dia nanaiky ilay mpamily rehefa nanampy saran-dàlana izy ireo. Teny an-dàlana sy raha nandroso niha alina ny andro, raha ny vaovao voaray hatrany ,dia mampijanona foana an’ilay fiara izy ireo, milaza ny hivoaka kely. Tamina toerana iray, izay tsy nisy tanàna intsony no nipoitra amin’izay ny maha-olon-dratsy azy ireo. Nambanan’izy ireo basy ny mpamily hijanona. Voalaza fa nafenin’izy ireo tany anaty kilaotiny ny basy sy ireo fitaovam-piadiana. Nodarohan’izy ireo tamin’izany ny mpamily sy vadin’ilay teratany vahiny. Voaroba avokoa ireo mpandeha fa indrindra ilay teratany vahiny, raha ny fampitam-baovao hatrany. Ary nitsoaka izy ireo vao vitany ny asa ratsiny. Efa mandeha ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto; izay voalaza fa tsy nanao afa-tsy kilaoty kely avokoa, araka ny nambaran’ny mpitandro ny filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser