- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnalakely : Karana 19 mpibizina firavaka nosamborina

Analakely : Karana 19 mpibizina firavaka nosamborina

Ao amin’ny hotely ipetrahany ihany no anamboarany ireo firavaka amidiny
Ao amin’ny hotely ipetrahany ihany no anamboarany ireo firavaka amidiny

Fizahantany no nahatongavan’ireo karàna maro, nefa dia zavatra hafa no nataony

Omaly antoandro, teo anelanelan’ny tamin’ny 10 ora ka hatramin’ny 12 ora, nidina teny amin’ny faritra maromaro eto afovoan-tanàna ny polisy avy ao amin’ny “Service central de la Surveillance du Territoire” nanao ny fisamborana teratany karàna miisa hatrany amin’ny 19. Izy ireo dia mandehandeha eny Analakely, Tsaralalàna, Petite Vitesse sy eny amin’ny avenue, mivarotra firavaka. Raha ny tena marina, tonga eto amintsika ireo olona ireo amin’ny maha mpizaha tany azy. Tsy izany anefa no voalazan’ny vaovao fa ataony. Mivarotra ireny karazana firavaka samihafa ireny izy ireo ka izany no antony nisamborana azy. Manamafy ny avy ao amin’ny polisy fa misy lalàna eto amintsika momba izany zavatra izany ka tokony hanaja izany ny rehetra, indrindra ireo vahiny tonga eto. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana azy ireo dia fantatra fa ao amin’ny hotely ipetrahany ihany no anamboarana’izy ireo ny firavaka amidiny, 10 000 ariary ny iray. Tafiditra ao amin’ny asan’ny SCST ny fisavana ireo vahiny mivezivezy andro aman’alina eto amin’ny firenena ka anisan’izany ny fisavana ny visa any amin’izy ireny.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser