Tsy mpamadika ny rano ho lasa “pi” indray ranamana teto fa milaza ho mpamadika ny vato ho lasa “mercure”. Ary dia maro tokoa no niroboka sy nijoboka …
Olona valo hatreto no tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny zandary tao Ambohimangakely fa nataon’ity mpimasy nitondra faisana. Harem-be no nokatsahina kanefa toa ny eo am-pelantanana indray no mandeha sy lasan’ingahirainy. Raha ny fanazavana azo dia hoe mandrebireby amin’ny resaka vato sarobidy sy ranomasom-bato ny lehilahy. Izay raha ny fomba fihetsika sy endrikendrika ivelany aloha dia tena hoe ireny olona “masin’ody” sy mahavita ny tsy vitan’ny olona tsotra ireny. Entiny handresena lahatra tanteraka ireo olona lasibatra dia mody mitondra fonosana maintimainty mavesatra izy ary lazainy fa io no ampahany amin’ny entana. Rehefa roboka ireo resena lahatra dia asainy mandoa vola be aloha, manaraka izay rehetra tsy maintsy teneniny ary miantoka ny sakafony mandritry ny fitetezany ireo ‘doany’ isan-karazany, voalaza fa entiny hamasinana ireo ‘entana’. Mandeha ny fandrahonana sy ny fikasihan-tanana raha vao tsy manaraka izay teneniny.
Nisy ihany ny tonga saina ary nitory avy hatrany rehefa nandeha ny andro sy ny volana fa toa tsy misy akory ity zavatra nampanantenain’i Dadarabe.
Tamin’ny fisavana nataon’ireo mpitandro filaminana tamin’ny fotoana nisamborana no nahitana fa tena hosoka sy fisolokiana no aton’ingahy ‘lava akanjo’. Bararata noloahana ary nofonosina sachet mainty ary nasiana bolongam-bato sy zavatra mavesatra no tao anatin’ilay voalaza fa ampahana harem-be.
Notanana natao famotorana avy hatrany moa ity farany ary atolotra eny amin’ny fitsaràna amin’ny fotoana mahamety azy.
m.L