Telo taona taty aoriana nikarohana ilay tompon’ny sambo “Francia III” sy mpanamory azy ny 24 septambra teo, izay rendrika tao Antsiraka Soaniarana Ivongo ary nahafaty olona marobe, nisy 88 tany ho any, dia tratran’ny zandary tao Soanierana Ivongo ihany ilay mpanamory sady tompon-tsambo antsoina hoe “Franck Antonio Norbert”. Nokarohina fatratra ity mpanamory tompon’ny sambo ity noho didy fampisamborana nahazo azy avy amin’ny fitsarana, nahafaty olona maro be, ity, ka niteraka zavatra hafahafa tao Soanierana Ivongo tao anatin’izay. Nambaran’ny zandary ao Soanierana Ivongo fa vaovao azo avy amin’ny olona tsara sitra-po no nahasaborana ity mpanamory sambo nahafaty olona ity. Mandalo fanadihadiana lalina amin’ny anton’ny loza ny zandary amin’izao, ka hisy ihany ny fiakarany fitsarana aorian’izany fakana am-bavany azy izany. Resaka maro no niely taorian’ity loza an-dranomasina ity, satria ny fahafenona be loatra tao anatin’ilay sambo no niteraka olana ka tonga tamin’izao loza mahatsiravina izao. Zavatra maro koa no niseho tao Soanierana Ivongo taorian’iny loza iny, hoy ireo mponina tany an-toerana, satria misy feon’olona mitomany foana isan’andro henon’ny olona fa tsy hita ilay olona mitomany. Nisy fombafomba mihitsy nataon’ireo mponina vokatr’izany vao nijanona ilay feo nampijaly ny mponina ity. Ankoatra izany dia fanasaziana lalina no miandry ity mpanamory tompon-tsambo “Francia III” amin’ny vono olona nitranga noho ny loza an-dranomasina izao, satria tamin’ireo olona an-jatony avy niasa tao Mananara Avaratra nody nentiny ny 20 desambra 2021, dia ny 88 mahery no maty nandritra izany, ka maro ireo tsy tonga tany amin’ny fianakaviany fa voatery nalevina tamin’ny fasana iombonana tao Soanierana Ivongo.
Malala Didier