Ny alin’ny faha 30 Septambra taona 2024 lasa teo, tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany tany ho any no nahazo fampandrenesana tamin’ny alalan’ny tambajontra-tserasera, avy amin’ny olona iray tsy tononina anarana ny Zandary miasa ao amin’ny Poste fixe Mahazomà, fa hanomana hanao fanafihana mitam-piadiana sy halatr’omby ao an-tampon-tanànan’i kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna ny jiolahy iray fantatra amin’ny anarana hoe: Nana dit Baban’i Nazy, izay monina any amin’ny fokontany Bokarano, mbola ao anatin’ny kaominina voalaza etsy ambony. Rehefa nahare sy nahita izany ny mpitandro ny filaminana telolahy, izay notarihin’ny lehiben’ny zana-tobim-paritrany Zandary any an-toerana, dia nidina nalaky nanao ny fisamborana ny voalohany volana Oktobra taona 2024 teo, tokony tamin’ny dimy ora maraina. Iny tonga tamin’ny toerana voatondro iny ny Zandary, dia nihezaka nandositra sy namaly tamin’ny tifitra basy vita gasy mitondra marika » Simplexe Calibre 16 laharana: 62 498, » avy hatrany ilay malaso, rehefa nahatazana ny mpitandro ny filaminana. Na dia teo aza izany, dia mbola niteny hampidinana ny basy teny am-pelatanany ny Zandary, saingy mbola nanapoaka vavan’iray tamin’ny poa-basy ihany izy. Teo no nihezaka niaro tena sy tsy nahalefim-po, ireo tandroka aro ny vozona, ka maty voatifitra avy hatrany ilay jiolahy. Raha ny tatitra mahakasika an’ity farany moa dia anisan’ny mpanoratra an-taratasy ao anaty bokin’omby, ireo omby halatra miisa efapolo avy any amin’ny disitrikan’Ambatoboeny, izay sarona tao amin’ny kijanany, tamin’ny 31 Desambra taona 2023 teo iny. Ny angom-vaovao ihany koa no nahalalana fa anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanafihana sy halatr’omby tao amin’ny fokontany Sarodrano, any amin’ny kaominina Maevatanàna ambanivohitra ny faha 22 Janoary taona 2024 teo, izay nahafatesana manamboninahitra Zandary mitondra galona lietina ny tenany. Ary anisan’ny nanao fanafihana maro tany amin’iny disitrikan’Ambatoboeny iny izy.
Ratantely