Nandritra ny volana septambra teo fotsiny io tarehimarika io. Fito no maty an-drano ary farany tamin’izany ilay lehilahy namoy fo ka nitsambikina tao ambany tetezan’i Tanjombato. Tsy voatery ho namono tena avokoa anefa ny anton’ireo fahafatesana ireo fa teo ny nilalao teny amin’ny rano mandeha noho ny hafanana be loatra. Nisy ny nisolifatra ary lasan’ny rano. Avy amin’ny mpamonjy voina no nahazoana ny tarehimarika ary izy ireo rahateo dia nanentana ny olona mba ho mailo hatrany rehefa mirobo-drano.
D.R