Ity no fanamarihana faha 45 amin’ny andro maneran-tany ho an’ny fizahan-tany raha ho an’ny Madagasikara. Antsirabe no nampihatrano ny hetsika nasionaly. Tao amin’ny Hotel des Thermes no nisian’ny lanonana izay notarihan’ny minisitra ny fizahantany sy ny asa tanana Viviane Dewa . Loahevitra tamin’ity taona ity ny hoe “fizahantany sy fandriam-pahalemana, rehefa milamina ny toerana dia tonga ny mpizaha tany hoy ramatoa minisitra, ary mihatsara ny fidiram-bola, ireo mpisehatra amin’ny fizahantany kosa afaka mivelatra kokoa mitondra ny fahaiza manaony. Hetsika maro loko no nentina nandravahana ity fanamarihana ny andro manerantany ho an’ny fizahantany ity teto Antsirabe. Dia be, hetsika ara-panatanjahan-tena sy Yoga ampahany tamin’ireo hetsika natao nandritra ny fankalazana. Ankoatra izay nisy ny fanaovan-tsoniam-piaraha miasa narahana loabary an-dasy mahakasika ny fizahantany eto amin’ny Nosy. Tranoheva manodidina ny 50 isa no nampiranty ireo vokatra ara pizahan-tany sy asa tanana mampiavaka ireo ofisim-paritry ny fizahantany eto amin’ny Nosy. Ankoatra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny fizahantany dia nitsidika ny orinasa Cotona ao amin’ny groupe socota sy ny cetre Thermal Andranomafana ny minisitry ny fizahan-tany sy ny asa tanana.
Andry N.