- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMasindray : Ramatoa namono zanaka, nodarohan’ny olona

Masindray : Ramatoa namono zanaka, nodarohan’ny olona

Niantso vonjy matetika ilay zazavavy sivy taona ary io no nanaitra ny sain’ny manodidina. Nantsoina ny fianakaviana akaiky ary rehefa niditra tao an-trano dia io tokoa fa mifatotra tongotra aman-tànana ilay zaza ary voadaroka. Tezitra ny fokonolona ary nirohotra niditra tao raha vao nahafantatra ny zava-nitranga. Mbola bevava ihany ilay ramatoa renin’ilay zaza izay tratra ambodiomby nidaroka. Mainka tezitra ny fokonolona izay nidaroka azy. Tsy vitan’izany aza fa mbola nivondrona ny fokonolona sy ny fianakaviana akaiky an’ilay zaza ary nametraka fitoriana teny amin’ny zandary. Tao anatin’izany rehetra izany dia nitsoaka ilay renim-pianakaviana ary nentiny niaraka taminy ny zanany farany izay vao iray volana monja no teraka. Ilay zaza sivy taona kosa dia noraisin’ny nenitoany an-tànana ary tsy naverina any amin’ilay tokantrano intsony aloha mba ho fiarovana ny ainy. Voatery nentina teny amin’ny hopitaly koa izy noho ny ratra izay nanjo azy. Malaza ho mpivarotena ilay ramatoa izay tsy hita ny nanjavonany. Isan’ny nahatezitra ny olona dia ny fanompany ireo izay tonga tao an-tranony tamin’ny fotoana nitrangan’ilay fikasihan-tànany tamin’ny zanany naterany ihany. Isan’ny vava navoakany ny hoe “zanany io ka izay tiany hanaovana azy”. Vao mainka koa ny olona sosotra ary niditra an-tsehatra tamin’ny raharaha ity.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici