- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatobe : Notifirin’ny jiolahy fa nanohitra ilay tovolahy

Ambatobe : Notifirin’ny jiolahy fa nanohitra ilay tovolahy

Tsy nihambahamba mihitsy nitifitra ilay tovolahy, 23 taona, ireo andian-jiolahy nanafika toeram-pivarotana tetsy Ambatobe-Masindray, tao amin’ny fokontany Manazary. Tokony ho tamin’ny 12 sy sasany alina no tonga tao ireo olon-dratsy, izay mitazona basy lava kalachnikov, raha araka ny tatitry ny mpitandro ny filaminana. Tao amin’ny épicerie iray teo akaiky teo aloha izy ireo no nanafika. Nanambana basy ny olona tao an-trano ary norahonana mba tsy hiantso an-telefaonina. Vola mitentina 500.000 ariary no lasa tao, raha araka ny vaovao azo. Tsy nionona tamin’izany fa mbola nanafika ny toeram-pisotroana iray hafa teo akaiky teo indray ireo. Vola mitentina 120.000 ariary indray no lasa tamin’ity indray mitoraka ity. Nisy tovolahy iray nanohitra nandritra izany. Norarafan’ireo jiolahy ny basy avy hatrany. Nisy taim-bala hita teo an-toerana rehefa tonga teny ny mpitandro ny filaminana izay nanokatra ny fanadihadiana. Fantatra fa bala mirefy 7.65 mm izany, karazam-bala izay tsy zoviana amin’ny tontolon’ny mpitandro ny filaminana ny mampiasa azy ireo. Hita teo ihany koa ny « lotissement » an’izany ary noraketina an-tsoratra. Asa anefa raha mba ho lasa lavitra indray ny fanadihadiana izay. Raha ny tokony ho  izy dia tsy misy mihitsy ny antony tsy hahafantarana izay niavian’ny bala sy ny basy. Tsy maintsy ny fanadihadiana toy izany no hamafisina raha tena vonona ny hiady amin’ny asan-jiolahy ny mpitondra. Izao aza dia efa mitondra grenady hatramin’ny mpanendaka ihany koa. Asa atsy ho atsy ny mety ho fiainana eto an-drenivohitra eto raha mbola mitohy miparitaka toy izao ny fitaovam-piadiana…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser