Nambanana basy moramora ny mpikirakira ilay Cashpoint. Tsy nisy resaka betsaka fa nazava avy hatrany ny tian’ireo roalahy tsy misaron-tava hahatongana. Navoaka ny tao anaty fitoeram-bola. Efa lasa ny jiolahy izay vao nahavita niantso vonjy ny voatafika. Tsy nisy nahatsikaritra na inona na inona ny manodidina raha tsy efa nandeha ny antso vonjy. Vetivety dia nanjavona teo an-toerana ireo jiolahy ary tsy hita izay nalehany. Ao anatin’ny fotoana izay tena nanamafisana ny ady amin’ny jiolahy no mbola nisy ihany ny voatafika tao an-toerana. Vao andro vitsy talohan’io anefa no nisy matin’ny polisy nandritra ny fifandonana. Tsy mety fay ireo olon-dratsy.
D.R