- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina renivohitra : Maro ireo maty sy naratra ny herinandro...

Tsy filaminana eto Toamasina renivohitra : Maro ireo maty sy naratra ny herinandro nivalona teo…

Namory ireo lehiben’ny fokontany miisa 138 ny prefektiora ny Toamasina sy ireo mpitandro ny filaminana, ka nandritra izany no nanambaran’izy ireo fa tsy maintsy hatsangana ny andrimasompokonolona isam-pokontany. Mahatsapa mantsy ny vahoaka tato ho ato fa maro loatra ireo olona maty sy maratra vokatry ny fanafihana ataon’ireo jiolahy. Vao nanomboka monja iny herinandro nivalona iny dia efa faty olona no hita tamin’ny fahafatesana jiolahy rain-dahany amin’ny fanendahana tao Morarano; ary nitohy tamin’ny fanafihana ireo toerana fandefasam-bola ka nahafaty ilay renim-pianakaviana tao Tanamakoa bazary tamin’ny tsatok’ antsy maro be nahazo azy. Nisy koa jiolahy iray maty tao Tanamakoa nandrava mpandefa vola tao an-toerana ihany, ary mbola hifampitadiavana ny namany niara-nanao izany taminy. Vola 5,5 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy teo anjoma mifanakaiky tamin’ny fiangonana Notre Dame de Lourdes, satria nisy kioska iray mpanakalo vola notafihan’izy ireo nandritra izany. Ankilan’izany dia mpanao fanakalozam-bola vahiny monina ao bazary be iray no notafihan’ireto andian-jiolahy telo lahy nitondra basy. Lasa nandritra izany ny vola vahiny an-tapitrisany sy ireo vola Malagasy an-tapitrisany maro tao aminy ilainy amin’ny fanakalozam-bola fanaony. Naratra mafy ny tenany sy ny vadiny nandritra izany satria nadonan’ny jiolahy tamin’ny rindrina ny lohany ka vaky, ny vadiny kosa notsatohan’ireo jiolahy antsy ny tanany, ka voatery nahiditra hopitaly ny alahady tolakandro teo izy mivady ireto, ary manaraka fitsaboana goavana izy ireo hatramin’izao.

Malala Didier 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici