
Nisy fotoana nanao sesilany ny fanafihana « cash point » teto an-drenivohitra. Taorian’ireo angom-baovaon’ny pôlisy dia saika nisy anarana niverimberina foana, ho tompon’antoka ny iray na ny maromaro tamin’izany asa ratsy izany. Tsy iza io fa izany Mika kely sy ny namany, ary efa teo am-pikarohana azy fatratra ny polisy. Ny harivan’ny alahady teo, mbola teo am-pikasàna ny hamely toerana iray indray ry zalahy teny amin’iny faritra 67 ha iny saingy ny an’ny ireo mpitandro filaminana no tonga aloha. Tamin’io fotoana io, nirefodrefotra ny basy teny amin’iny faritra iny, narahana fifanenjehana sy hazalambo hatrany anaty elakelan-trano rehetra tany. Tranga izay nampanontany tena ny mponina teny an-toerana ihany. Ireo pôlisy misahana ny servisy manokana amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika ireto rafitra nifanenjika tamin’ny roalahy ireto. Raha ny voalazan’ny pôlisy dia nahazo antso izy ireo, mahakasika ny fisiana olona mampiahiahy, teny an-toerana. « Andian-jiolahy, izay mihaodihaody miaraka tamin’ny moto teny amin’iny faritra 67ha iny ». Nidina avy hatrany teny an-toerana izy ireo, satria efa fantampatatra ihany , ny toetoetr’endrik’ireo olon-dratsy, izay noeritreritrerina avy hatrany, ho ireo jiolahy mpanao fanafihana mahery vaika. Ireo pôlisy avy eo anivon’ny SAG no naka toerana sy nanao ny fanenjehana. Tao anatin’izay, hoy ny vaovao, no nisy ny fifanjevoana teo amin’ireo olon-dratsy, izay tazana teny an-toerana sy ireo mpitandro filaminana. Raikitra ny tifitra, ka voan’ny bala tamin’izany ny roalahy ary maty. Tsy iza izy ireo, taorian’ny fitsirihana fa ing. Mika kely sy ilay namany, izay nalaza ratsy amin’ny resaka fandrobana, vaky trano ary fanafihana. « Efa mpamerin-keloka izy ireo, hoy hatrany ny vaovao ary efa tsy zoviana amin’ny pôlisy intsony » Taorian’io fotoana nisian’ny sakoroka io moa dia mbola hita teny amin’izy roalahy ireto ny basy iray, niaraka tamin’ny antsy lavalela. Fitaovam-piadiana izay heverina fa fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny.
m.L