Manao ezaka mikasika ity rongony mahery vaika avy any ivelany mipariraka eto amintsika, fantatra amin’ilay hoe « roro », ny polisim-pirenena tarihan’ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka Atsinanana. Nanome baiko ity tale ity ny anaovan’ny polisy ezaka mba ahitam-bokatra, ka izay no nanaovan’ny FIP naka vaovao marim-pototra ka nahatrarana tovolahy iray 25 taona sady mpivarotra no mpitsindrona ity rongony mahery vaika ity.
Araka ny fanazavana dia nanofa trano fandraisam-bahiny iray teto Toamasina, sy naka tovovavy 17 taona mba hiaraka aminy ity tovolahy 25 taona ity. Tao anatin’izany anefa dia sady nitsindrona tamin’ny rongony fampiasany ny tenany no mbola notsindroniny tahaka izany koa ilay tovovavy niaraka taminy ka tsy nahatsiaro tena. Nanaovany ny filan-dratsiny taorian’izay ilay tovovavy, ka tamin’ny fahatongavan’ny polisy efa nahazo vaovao mari-pototra nisambotra ilay tovolahy tao anaty trano fandraisam-bahiny, dia mbola tsy nahatsiaro tena ilay tovovavy ka voatery nentin’ny FIP teny amin’ny hopitaly mba hitsaboana azy. « Tany masina i Toamasina ka tsy azo anaovan-dratsy tahaka izao », hoy ny komandan’ny FIP Rafaliarivo Jules. Nisy koa ny antso nataony aminy fanomezam-baovao mari-pototra tahaka ity mba handresentsika miaraka ireo fahavalom-pirenena amin’ny fanapariahana rongony mahery vaika mety hanimba ny tanora Malagasy.
Ankoatra izay dia fantatra ihany koa izao ny tohin’ilay nahasamborana olona efatra mpanao fanafihana mitam-piadiana nataon’ny polisy, ka ny telo mpitandro ny filaminana am-perinasa raha iray olon-tsotra, dia nahazoam-baovao fa ny andro alatsinainy sy zoma no tena fanaovan’izy ireo ny fanafihana io eto Toamasina araka ilay horonam-peo voarain’ny polisim-pirenena sy ny lehiben’ny fampanoavana eto Toamasina.
Malala Didier