- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAsa any Canada : Pasipaoro sy visa sandoka nahazoan’ny mpisoloky miliara

Asa any Canada : Pasipaoro sy visa sandoka nahazoan’ny mpisoloky miliara

Eo amin’ny facebook no fanjonoany ary avy amin’ny orinasa “cabinet Mirindra”. Milaza ho mpandefa olona hiasa any Canada no tena asany. Handefasany karazana pasipaoro sy visa ireo olona dia maro no roboka ary nahazoany 2,5 tapitrisa raha kely indrindra isan’olona.

“ Taratasy hosoka avokoa anefa no omeny toy ny pasipaoro sy fahazahoan-dalana hiasa. Vao azony ireo vola ireo dia manjavona izy no sady tapahany ny fifandraisana amin’ireo olona voasolokiny. Efa an-jatony ireo olona voasolokin’ity lehilahy ity ka vola mitentina 200.000 000 Ar no efa azony” raha araka ny polisy ao amin’ny faritry Sava. Voasambotra ihany ilay lehilahy 34 taona rehefa nifampitadiavan’ny polisy ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici