- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFikambanam-behivavy tantsaha FARM : Nanolotra paikady hanatsaràna ny tontolon’ny famokarana

Fikambanam-behivavy tantsaha FARM : Nanolotra paikady hanatsaràna ny tontolon’ny famokarana

Anisan’ireo nandray anjara mavitrika ho amin’ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy eny amin’ny tontolo ambanivohitra (JIFR) ny fikambanana FARM, na ny “Femmes en action rurale de Madagascar”. Nandritra ity foara ity rahateo no nanararaotan-dRtoa Ravoniarisoa Hantanirina, filoha nasionallin’izany fikambanam-behivavy tantsaha izany fa manana paikady entina manatsara ny tontolon’ny famokarana  eto Madagasikara izy ireo. Paik’ady izay azo heverina fa hahafahana mitondra mankany amin’ny  fanjarian-tsakafo eto amintsika. Mazava ho azy fa tsy vitan’izy ireo irery ny manantanteraka izany paik’ady goavana izany ka miantso ny fitondram-panjakana sy ny ministera misahana izany izy ireo, mba hiaraka hisalahy sy hifarimbona  amin’izy ireo.

Marihana fa mpandray anjara isan-taona ao anatin’izany fanamarihana ny andro iraisam-pirenana izany ny Farm. Ankoatra ity paik’ady mifanindran-dalana amin’ny pôlitikam-panjakana ity moa dia manana tetikasa miavaka ihany koa izy ireo : ny famadihana ny fako ho lasa arina fandrehitra. Nahazon’izy ireo fampitaovana rahateo izany nandritra io andro.

Nosafidiana ny  kaominina Talata Volonondry, ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano, tamin’ity taona, hanamarihana izay andro izay, raha ho an’ny faritra Analamanga. Tonga nanome voninahitra ny fanokafana izany foara lehibe izany rahateo ny solontenan’ny fitondram-panjakana, nahitàna ny avy eo anivon’ny Ministeran’ny fambolena sy fiompiana, ny faritra Analamanga ny tranomben’ny tantsaha niaraka tamin’ireo manampahefana sivily sy miaramila avy any an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici