Efa ela no nanaovana filazana fikarohana ireo jiolahy roa fantatra amin’ny fiantso hoe: Tence Mena sy Revato, izay malaza amin’ny resaka halatr’omby sy fanafihana mitam-piadiana any amin’ireo kaominina ambanivohitra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna sy ny any amin’ny faritra Ambatoboeny iny. Raha ny vaovao marim-pototra hatrany dia tamin’ny taona 2010 no voalaza fa efa namono polisy tany amin’iny faritra Ambatoboeny iny i Tence Mena, ary efa nokarohina ity farany tamin’izay, ka hatramin’izao mbola tsy voasambotra , ary izy ihany ihany koa no tena mampitondra faisana ny mponina miaraka amin’ireo namana atao hoe: Revato sy Zaman’i Gisita amin’ny resaka halatr’omby sy fanafihana mitam-piadiana amin’ireo disitrika roa voalaza etsy ambony ireo. Maro ireo olona no milaza mahita mivantana azy ireo, manafika tanàna any ambanivohitra, saingy tsy voatohitra noho’ny ny basy mahery vaika am-piasan’izy ireo, indrindra fa ny famarohan’ireo ekipany. Efatra taona lasa izy ireo no nisy nahatsikaritra farany, nanafika ny tanànan’i Bokarano, any amin’ny kaominina ambanivohitra Mahazomà, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, izay nahafaty an’i Rafah naman’ireto farany, tamin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka nataon’ny fokon’olona taorian’ny fanafihana niseho tamin’izany. Feo sy lazan’ireo malaso telolahy sisa no heno, any amin’ny kaominina ambanivohitra any, rehefa misy halatr’omby sy fanafihana mitam-piadiana etsy sy eroa, fa mbola tsy nisy voasambotra hatrany. Na eo aza izany fireharehan’ireo malaso dia mihezaka mikaroka azy ireo andro aman’alina ny mpitandro ny filaminana sy vatan-dehilahy.
Ratantely