Ny olona mifety fa izy ireo kosa miasa mafy amin’ny ratsy. Tsy misy izay fampisehoana iray ka ankalamanjàna izay tsy misy mpangarom-paosy tratra. Na azon’ny olona na koa ny mpitandro ny filaminana izay mandrindra ny fiarovana ny toerana no matetika mahita azy ireo. Toa ny hetsika iray tetsy amin’ny Coliséum, efa ho fito ny mpangarom-paosy nentina teny amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana rehefa tratra ambodiomby niaraka tamin’ny finday halatra. Toa izany koa nandritry ny hetsika nataon’ny tarika Ambondrona tany Antanetibe-Mahazaza (distrikan’Ambohidratrimo), lehilahy telo no voasambotra niaraka tamin’ny finday miisa sivy izay mazava hoazy fa halatra avokoa. Nanokafana fanadihadiana eo anivon’ny paositry ny zandary ao an-toerana izy ireo no sady koa mbola handrasana izay olona very finday nandritry ny fampisehoana mba hametraka fitoriana. Mitety fampisehoana ny mpangarom-paosy ary tonga hatrany amin’ny faritra hafa mihitsy aza izy ireo rehefa misy fampisehoana lehibe izay mitohitohy mandritry ny andro maromaro. Tsy hoe sady mifety no miasa fa tena miasa mafy izy ireo hamerenana ny lany toa ny taxi-brousse, ny sakafo, ny hotely sns. Eo indrindra no mila mailo ny mpanao finday am-paosy satria matetika ireny hatrany no tena fitaovana hataon’ireo olon-dratsy lasibatra.
D.R