- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversKaominin’Ambodilazana Toamasina II: Nitrangan’ny fanafihana mpivarotra, lasa ny vola 800.000 ariary

Kaominin’Ambodilazana Toamasina II: Nitrangan’ny fanafihana mpivarotra, lasa ny vola 800.000 ariary

Efa mitatra mihazo an’i Toamasina II iny koa ankehitriny ity fanafihana mpivarotra sy tranom-barotra ity amin’izao. Manomboka tery mantsy ny lalan’ireo mpanafika eto Toamasina, noho ny hetsika ataon’ireo mpitandro filaminana hamongotra azy ireny. Trangam-panafihana mitam-piadiana no hita tao amin’ny kaominina Ambodilazana Toamasina II ny alatsinainy hariva tamin’ny 06 ora tany ho any, ka nahaverezam-bola mitentina 800.000 ariary, tamin’ity mpivarotra iray ao an-toerana tamin’izay.

Araka ny vaovao voaray dia naratra noho ny tifitra nahazo azy ilay mpivarotra, saingy tsy nisy kosa ny maty tao anatin’izany. Voalaza moa fa isan’ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana eto Toamasina ireto jiolahy ireto. Ny alatsinany alina io ihany dia efa raikitra ny fikarohana ireto andian-jiolahy ireto, izay nataon’ny fokonolona sy ny zandary misahana iny Toamasina II iny. Hentitra rahateo ny baiko nomen’ny lehiben’ny fampanoavana eto Toamasina mikasika ity fanafihana niova toerana ao Toamasina II ity, fa tsy maintsy mahita vokatra ny zandary manao ny fikarohana ireo andian-jiolahy. Raikitra tokoa ny fikarohana ka tao anatin’izany dia raikitra ny ankitifitifitra teo amin’ireo andian-jiolahy sy ny zandary araka ny vaovao voaray. Jiolahy enina no efa maty voatifitra hatreto araka io vaovao voaray io ihany, satria tsy an-kitsitsy mihitsy ny fikarohana ireto andian-jiolahy mpanafika ao Toamasina II ireto, koa andrasana ny tohin’ny fikarohana izay mbola nitohy hatramin’ny omaly.

Ankoatra izany dia jiolahy iray mpanendaka isan’ny kalaza sy naman’Ingahy « be sabre » ao Antanamborizano no lavon’ny balan’ny polisim-pirenena ihany koa ny alin’ny talata teo amin’ny 06 ora sy sasany tany ho any. Jiolahy isan’ny mampitondra faisana ireo mpody hariva sy tratra alina ao Antanamborizano ity jiolahy voatifitra ity, saingy roa moa izy ireo no niaraka tamin’ity iray voatifitra ity, fa tafatsoaka ilay namany nandritra izany. Raikitra ny fikarohana ity jiolahy mpanendaka tafatsoaka ity nanomboka omaly, satria heverina ho i « be sabre » izay karohina fatratra mihitsy izy io.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici