- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Nesorina haingana ny « cocarde »

Toamasina : Nesorina haingana ny « cocarde »

Lasa zary fanao ary nisy nahatsikaritra ihany nony farany. Tsy inona izany fa ny fampiasàna ilay saina kely atao anaty fiara mba hampahafantarana fa manam-pahefana ary tokony hamoraina ny fivezivezeny. Ny olana anefa tao Toamasina dia misy manararaotra mametaka izany ny manodidina ireo manam-pahefana na koa ny mpiara-miasa amin’izy ireo. Nisy nahatsikaritra ihany izany ary nanaparitaka tamin’ny tambajotra sosialy. Vao nanomboka ny nanintona ny mason’ny olona izany, nanala ny « cocarde » maika ireo voakasika izay may endim-boanjo. Omaly dia efa hita fa tsy nisy sahy nametraka izany tamin’ny fiarany intsony ireo mpampiasa izany teo aloha. Misy lalàna ny fampiasana ny « cocarde » ary voafaritra mazava ao ny afaka mampiasa izany. Dikany dia azo hanokafana fanadihadiana soa aman-tsara noho ny fisandohana andraikitra na koa noho ny fanararaotam-pahefana ireo izay voaporofo fa tsy ao anatin’ny lisitra afaka mampiasa izany. Soa ihany fa nihetsika ny olona ary tafampita haingana ny hafatra ary nanala izany maika ireo voakasika.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici