- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversSakoroka tetsy Ambatomaro : Ny hafa migrevy, ny sasany mamaky trano

Sakoroka tetsy Ambatomaro : Ny hafa migrevy, ny sasany mamaky trano

Fanararaotan’ny mpanao ratsy tokoa ny fitangorongoronan’ny olona, indrindra ny tahaka ireny sakoroka niseho tetsy Ambatomaro sy Mahazo ny alin’ny sabotsy lasa teo ireny.

Ny zava-nisy tamin’io fotoana io dia misy andian’olona, eo amin’ny tovolahy telo na efatra eo, tsy fantam-piaviana, mitsofoka tampoka ao an-tranon’olona na eo an-tokontanin’olona ary mitaditady zavatra. Tsy nampoizin’izy ireo mihitsy anefa ny fisian’olona tao amin’ilay trano. Kaodikaody avy hatrany izy ireo nilaza fa hoe anisan’ireo mpigrevy ary nitsoaka ireo mpitandro filaminana ka nitady trano hiafenana. Raha ny fihetsika tamin’ny voalohany sy ny endrikendrika anefa dia toa tsy isan’ireo mponina naneho ny hatazerany tamin’ny tsy fisian’ny rano sy jiro. Tsy azo hiadin-kevitra avy hatrany fa olon-dratsy nikasa nanararaotra ny toe-draharaha nisy. Iny faritra iny rahateo, efa malaza ratsy amin’ny resaka vaky trano, hala-botry sy fanendahana. Poa toa izay moa no nanaovan’ireto tovolahy kely ireto, tari-dositra taorian’izay.

Mila mailo tokoa manoloana ny sakoroka tahaka ireny fa ny ratsy tsy kely lalana ary mitady hirika hatrany hanaovana izany.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici