Anisan’ny iholomaizan’ny mponina aty amin’ny faritra Betsiboka ny asa fitrandrahana volamena, noho izy, asa mahavelona malaky, rehefa mahavaky sy mahazo amin’ny grama maromaro. Raha ny vaovao marim-pototra voaray hatrany dia olona folo no nanatanteraka fiasana fitrandrahana volamena tao amin’ny toerana atao hoe: Bekabaro, fokontan’Ambalabao, kaominina ambanivohitra Bekapaika, any amin’iny disitrikan’i Tsaratanàna iny, izany hoe ato anatin’ny faritra Betsiboka. Tampoko teo anefa dia nihintsana tsikelikely ny tany, tao anatin’ny fatam-bolamena tahakan’ireny « Tonnelle, »ireny. Vokany: nohotsahan’ny tany tao izy folo lahy, ary ny roa no maty tsy tra-drano. Naratra mafy ihany koa ny valo ambiny. Taorian’ny fifanomezan-tanana nataon’ireo olona teo amin’ny manodidina dia tonga teny an-toerana nalaky ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritr’i Bekabaro nijery ny zava-nitranga. Ratantely
Articles qui pourraient vous intéresser