
Olona mamy hoditra ao Vatomandry I Nirina Emma Jeannine, 62 taona tamin’ny fotoana namonoana azy tamin’ny fomba feno habibiana, ny 4 febroary lasa teo. Ny anadahiny ihany no nosamborina tamin’io raharaha io rehefa notondroin’ireo namono mivantana fa nanakarama azy ireo. Ankehitriny anefa dia efa tsy ao amin’ny fonjan’Ambalatavoahangy intsony ilay rangahy rehefa nomen’ny fitsaràna an-tampony fahafahana. Ireo roalahy voalaza nokaramaina kosa mbola voatazona am-ponja hatrany. Rehefa nandeha ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana rehetra dia nivoaka tamin’izany fotoana fa ady lova no fototr’ity vononan’olona ity. Kivy tanteraka ny fianakavian’ny maty tamin’ity didy famotsorana ny voarohirohy ho atidoha nikotrika ity. Manahy mafy ny fisian’ny kolikoly izy ireo ary hametraka tsy ho ela fitaraina eo anivon’ny minisitry ny fitsaràna, raha araka ny mpisolovava. Tamin’ny fotoana nahatratrarana ireo voarohirohy ho mpanao ratsy dia efa tezitra ny olona ka saika hanao fitsaram-bahoaka. Izao indray dia efa mandeha ny feo fa raha sendra hitan’izy ireo mirenireny ireo dia mety hiharan’ny hatezeran’izy ireo. Ny tranga toa izao ilay mampiraviravy ny mpitandro ny filaminana handeha lavitra amin’ny fanadihadiana matetika. Ny olona voasambotra, indraindray afa-maina fotsiny.
D.R