- Publicité SW45 -
vendredi, décembre 27, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBeantitra mpaka fisotroan-dronono : Efa lasibatrin’ny fisolokiana sy halatra ihany koa !

Beantitra mpaka fisotroan-dronono : Efa lasibatrin’ny fisolokiana sy halatra ihany koa !

Tsy mifidy harapaka ! Fitarainana tonga teny anivon’ny zandary no nahafantarana fa efa ataon’ireo olon-dratsy ao anaty lisitry ihany koa amin’izao ireo be antitra mpaka fisotroan-dronono, eny amin’ireo toerana fakàna izany. Ny mahagaga dia mahita fomba hafa foana izy ireo, entina hanambakana na hangalarana amin’ireto raiamandrenibe ireto. Araka ity fitairanana, izay naparitaky ny pejy ofisialin’ny zandary ity izao dia karazana « hypnose » na fandrebireben-tsaina no hampiasan’ireo tsy mataho-tody amin’izany. « Mody hatoniny ilay beantitra, dia avy eo sakambininy. Lazainy hoe misy manaraka ianao. Manomboka eo dia lasa manaraka izay teneniny ilay olona ka na takiany poketra aza dia manome. Hany ka lasany ilay vola kely mba fitsinjovana azy ireo (…) ». Toa teti-dratsy tandrametaka sy tefy maika ihany kanefa mandaitra amin’ireo zokiolona ary heverina hoy ny fitairanana fa mety efa betsaka ireo tratra. Naparitaky ny zandary moa ny tranga toa izao, mba hahamailo sy misy hitandreman’ny tsirairay ary inoana fa efa mandray andraikitra rahateo izy ireo mahakasika izany tranga izany. Ny tena tsara ihany koa dia aleo misy manaraka foana ireny raiamandrenibe ireny rehefa maka vola, fa tsy avela irery. Averimberina matetika mantsy fa tsy kely lalana mandrakariva ny ratsy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici